Entrée | 1 Eny, alina |
Mots élémentaires | 2 eny, 3 alina |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Zanamihoatra Randja |
Texte complet |
7 - Alina ! tsia, ry mpiambina malala ! mbola miafitra etsy aniva 8 Ny salovana somamby niafaran’ny taratr’andro 9 Mitsontsorika mankany : 10 Mbola izao manako izao ny fara-ezaky ny antsiva 11 Miala aina moramora eny an-tsefa-draho-mihandrohandro : 12 Ny hariva mitomany ! 13 Injao manetsaketsa maika ny mpitoto sy ny hirany, 14 He, ny vodilanitra aza mbola miezaka hanohitra 15 Ito haizina eny an-dalany ; 16 Izatsy zazavavy izatsy mbola miandry ny fidirany 17 Ka mitazana tsy miala, eny am-baravaram-bohitra 18 Ny fiavin’ny malalany. 19 (Omaly koa - toy izao - ..... .... ........... ) 20 Eto anivo izao ny alina ! 21 Mangina sy mamelovelo ny tokotanin’ny tanàna... 22 Oriory mahagaga izato ambain’ny habakabany 23 Manalona etsy ambony ; 24 Lasalasana ambiroa irony morona fitana 25 Nony very poka teo izany feon’ny koratabany. 26 Eny, alina tokoany ! 27 Kintan-kely mahatsiahy sisa mantsora ny aizina ! 28 Injay ny “zovy mitarazo” sy ny rodorodom-mpiambina 29 Misafo manodidina 30 Fa mitambatra ho ao, mitaria tsy azo laizina 31 Ao anaty torimaso ... ; injao ny nofy misakambina 32 Ny vetso tsy hanidina ... 33 Alina hafahafa ! Alina tsy haiko ambara ! 34 Alin-tsambatra ? tsy fantatro ! alina mamelovelo 35 Fiaretan-tory koa... 36 Niarina aho... dia nisento ka niampofo ny Tantara ; 37 Injay nanevitevika ahy, izany sintan’alahelo... 38 Eny, alina tokoa ! 39 Mpiambina ô ! ny zovinao manatsafa ny any ho any ! 40 O ry foko koa injao fa mamakafaka ny alina ! 41 ‘Ndeha hiaraka hisaina 42 Ka handrendrika ny feo ho “FANAHY MAMINANY” 43 Sao mba fantatsika ety ny “zava-miafina sy lalina” 44 Mandra-piavin’ny Maraina. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |